<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>500</hymn_number>
<title>He! Manda fiarovana FFPM500</title>
<lyrics>[V1]
 He ! manda fiarovana,
 Andriamanitsika,
 Ampinga mahatohana
 Izay manjo antsika.
 Mamely fatratra
 Satana sompatra,
 Mpandoza hatrizay,
 Mpamitaka mahay
 Tsy manam-paharoa.

[V2]
 Malemy, tsinontsinona,
 Fa mora resy isika ;
 Fa misy voahasina
 Miady ho antsika ;
 Jesosy re izay,
 Ilay iraky ny Ray,
 Mpitarika mahay,
 Mpamonjy hatrizay
 Sy Tompo-pandresena.

[V3]
 Na dia ta-handevona
 Ireo devoly maro,
 Tsy misy atahorana,
 Jesosy no Mpiaro ;
 Ilay rain'ny maizina
 Dia nohelohina,
 Ka tsy ahoana,
 Fa teny tokana
 Dia mahalavo azy.

[V4]
 Kendreny hofongorana
 Ny teny tanantsika,
 Kanefa tsy ho foana,
 Ny Tompo momba antsika.
 Na dia ho fongana
 Ny laza ananana,
 Harena, havana
 Tsy mampaninona,
 Ny lanitra antsika.</lyrics>
<author>M. Luther</author>
</song>